Sesilany ny fanelanelanana nataon`ny sehatra iraisam-pirenena teto amintsika nandritra ny fihetsehem-bahoaka nanomboka ny 21 aprily.
Nazava ny hevitr`ireo depiote ho an`ny fanovana tamin`izany fa tsy mahavaha olana ireo vahiny raha tsy mihaino ny fitakian`ny eny amin`ny kianjan`ny 13 mey. Tonga izao ny praiminisitra Ntsay Christian izay olona miara-miasa akaiky amin`ny sehatra iraisam-pirenena kanefa ny fomba nanendrena azy no mbola manjavonjavo. Taiza ho aiza no nisy ny fanelanelanana nataon`ny iraisam-pirenena ? Raha atao ny jery todika, maro ny dingana tsy nanaraka rindrandamina. Tsiahivina fa ny vondrona afrikanina no nialoha lalana ny rehetra nanao ny dingana fanelanelanana nandritra ny fotoana tena navaivay ireny. Tsy manaraka rafitra izany satria misy ny atao hoe “Syndrome de Troika”, izany hoe ny SADC notarihan`i Joaquim Chissano na koa ny Vondron`ny ranomasimbe indianina (COI) no tokony ho nampihavana voalohany. Rehefa tsy tena tafavoaka ny fanelanelana vao miditra an-tsehatra farany ny vondrona Afrikanina saingy nifanohitra amin`izay tanteraka ny zava-nitranga. Tsy nahagaga matoa i Joachim Chissano nanaboribory resaka tamin`ny iraka nataon`ny volana mey lasa teo teto amintsika. Raha zohina, arofanina ho an`ny sehatra iraisam-pirenena i Ramtane Lamamra. Izy rahateo dia mpikambana ao amin`ny filankevitra ambony miandraikitra ny fanelanelanana iraisam-pirenena na Haut Comitè consultative de l`ONU. Izy rahateo dia minisitry ny raharaham-bahiny alzerianina teo aloha ary mahafantatra ireo mpitondra manerana ny kaotinanta afrikanina. Mazava fa izy no iraky ny sehatra iraisam-pirenena. Tena eo ambany vahohon’ny iraisam-pirenena i Madagasikara amin`izao fotoana. Maninona i Ramtane Lamamra, 65 taona, no tsy nanaraka ny dian`ireo namany rehetra izay niala teo amin`ny tontolon`ny politika ka nijanona any Alger fa izy no mbola mamita iraka ihany ? Raha mikorontana kosa ny fifidianana eto amintsika dia misy asa foana angamba. Maro no mihevitra fa tsy tena hoe hikaroka vahaolana no ataony eto fa maika fotsiny amin`ny fanatanterahana ny fifidianana ary hita taratra izany tamin`ny fanendrena an`i Ntsay Christian, praiminisitra lehiben`ny governemanta. Fifidianana no fantany. Raha fehezina, tsy hiraharaha fampihavanam-pirenena izany na fanovana rafitra eto amintsika i Ramtane Lamamra ary tsy hieritreritra handamina ireo laharampahamena mialoha ny fifidianana mihitsy ny tenany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.