Manitrikitrika mafy amin’ny hanatanterahana fifidianana i Andry Rajoelina ary mikofokofoka amin’ny fanaovana famoriam-bahoaka amin’ny endriny samihafa, ary hitety faritra.
Misy indray izao no miezaka manadino ny tantara ka milaza fa ny fifidianana no vahaolana, nefa mbola maro ireo vahoaka mijaly noho ny fanonganam-panjakana nataony, satria mbola maro ireo orinasa izay nakaton'izy ireo, hoy kosa ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny sabotsy teo. Raha tena nisaina sy nitsinjo firenena tokoa anefa Rajoelina sy ny MAPAR tamin’ny taona 2009, dia niandry fifidianana kanefa ankehitriny dia io mba miana-kendry io hoe alefaso ny fifidianana. Toa manomboka mazava ny tanjona maloto, dia ny hanararaotra ny hampiasa ny fahefam-panjakana hahafaha-mandresy amin’ny fifidianana. Tsara ny manamarika fa avy amin’ny MAPAR ny minisitry ny atitany, izay mikirakira ny fifidianana. Tsy azo hadinoina fa ny filohan’ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny CENI ankehitriny, dia efa avy filohan’ny CENIT tamin’ny andron’ny tetezamita, ary tsaroana tsara ilay fifidianana lalàmpanorenana azo nampiasana kara-pokontany. Mazava be raha tsy dia misy ny fifampatokisana, ary anisan’ny mbola takian’ny eny an-kianja ny fandravana ny CENI mba hisian’ny mangarahara. Mikofokofoka mafy ny handefasana haingana io fifidianana io sy toa efa manao propagandy amin’ny alalan’ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) Rajoelina, kanefa ireo olona manohana azy amin’izay aza dia saika malaza ratsy amina afera maloto na kolikoly, toa an’i David Douillet efa nopaingorin’ny HATVP (Haute Autorité pour la Transparence de la Vie Publique) tany Frantsa,… Miseho avokoa ny karazana tetika maloto sy famitaham-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.