Politique

Rajoelina sy ny MAPAR Nadio ny rano nitana !


  • Alarobia 20 Jona 2018

Tsy mbola nisy aloha ny fanambarana ofisialy avy amin’ny MAPAR momba ny tsy handraisan’izy ireo anjara intsony amin’ny tolona eny amin’ny 13 mey.

Tonga dia nanao sambo nilentika, no azo handikana ny tsy fisian’ny fanambarana sy fitsorana ny fanapahan-kevitra sy ny lalàna tsy maintsy nizorana noho ny mety ho safidy politika tsy maintsy arahin’ny antoko. Nivadika tamin’ny velirano nifanaovana ny MAPAR, raha ny fanehoan-kevitra maro. Afa-po tanteraka ve izy ireo tamin’ny tolona natao ? Na ireo mpanara-dia tao anatin’ny TGV aza aloha dia maro ny sanganehana eo anatrehan’ity toe-javatra sokajian’izy ireo ho famadihana an-kitsirano ny tolona ity. “Adala sy kentrina sy tsy nisy natao ve izany izahay nandany andro sy fotoana niaritra ny masoandro sy hanohanana teny amin’ny 13 mey, kanefa dia ny mari-panajana farak’izay bitika aza tsy nisy ?”, hoy ny olona. “Natao tohatra fiakarana izahay, fa rehefa nahazo seza sy fahefana izany dia adino ny vahoaka”, hoy ireo mafana fo tamin’ny fiventesana ny hoe: “miala Rajao”. Efa novain’i Andry Rajoelina hoe : raha misy tsy fitiavana ny filoha dia aleo any anaty fifidianana no hanehoana izany, fa tsy mety intsony ny savorovoro, ary mila hampandeferina ny hambom-po. Tena vita tokoa izany ny nilana ny vahoaka sy ny tolona, dia notsipahina am-bavafo tsy nisy fifampiresahana ?  Safidy politika ny an’ny MAPAR ary tsy misy afaka ny hanery azy amin’izany. Ny nanahirana tao anatin’ny raharaha dia na ny fahalalam-pomba sy fanomezan-kasina faran’izay bitika ho an’ireo mpitolona aza tsy nisy. Raha ny MAPAR no nantenaina, aim-bery maina sy matimaty foana toy ireo namoy ny ainy ny 21 aprily, toy ny niseho tamin’ny taona 2009 ihany. Hahafahan’ny vahoaka mitsara ny fahamatorana politika sy ny mety hafitsoky ny antoko na ny kandida iray amin’ny fifidianana ny toy izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT