Kandida depiote tao amin’ny Boriborintany faha-5 tamin’ny anaran’ny «Antoky ny Fiandanana ho Antsika Rehetra» Rajerison Nicole Véronique tamin’ny 2013.
Nisy 31 ireo kandida mpifaninana tamin’izay, ka 9 315 (13,38) ny isam-bato azony. Randrianarisoa Guy Celin Rivoniaina (TIM) sy Raholdina Naivo Nantsoina (Mapar) no voafidy tamin’io. 19 volana aty aoriana, nirotsaka ho Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny anaran’ny antoko UNRRM (Union Nationale pour la Refondation et la Reconstruction de Madagascar) indray Rajerison Nicole Véronique. Sivy ny mpifaninana teto an-drenivohitra ny 31 jolay 2015 teo. 830 (2,28) no vato azony tao amin’ny Boriborintany faha-5, sady Boriborintany nahazoany vato be indrindra, raha 2 751 (1,66) no isam-batony nanerana an’Antananarivo, izany hoe tsy nisy iray ampahatelon’ny vato azony tamin’ny fifidianana depiote akory, na dia teo aza ny fampiasana fitaovana samihafa sy fampiderana fandaharanasa mirentirenty nataony. Mazava moa teto ny fandresen’i Neny Lalao Ravalomanana, izay nahazo 92 575 (55,86%) tamin’ireo vato manankery, na dia mbola vokatra vonjimaika aza.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.