Politique

Rajaonarimampianina variana manapariaka ny HVM Ravolomanana miezaka manatona ifotony ny vahoaka


  • Alarobia 01 Jolay 2015

Raha variana amin’ny fanapariahana sy famelomana ny antoko HVM mitondra ny anarany manerana ny nosy ny filohan’ny Repoblika ankehitriny Hery Rajaonarimampianina amin’ireny fitsidiham-paritra nisesisesy tao ho ao nataony ireny, ny filoha teo aloha filohan’ny antoko Tim, i Dada Ravalomanana Marc kosa dia miezaka manatona vahoaka miezaka mijery ifotony ny tena mahazo azy ireo ka manotany izay tena manahirana azy

 

. Tsy misalasala ny lehilahy fa tena mifangaroharo akaiky amin’ny mponina ka miaraka aminy amin’ny fiainana andavanandro. Efa niainany, ohatra, ny fisotroana kafe sy fihinanana mofo gasy ary fihinanan-kanina  teny amin’ny mpivarotra tsotra tena Malagasy tamin’ireny dia nalehany ireny, ny fitrotroana zazakely entin-dreniny teny an-tsena, ny fanaovana fanatanjahantena maraina niaraka tamin’ny vahoaka ary tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia nanajanona ny fiarabe raitra fitainginy fa nandray fiarakaretsaka tsotra hodiana i Dada. Fantatr’ity filoha teo aloha ity fa zava-dehibe loatra ny fijerena akaiky ny fiainam-bahoaka ka izany no tsy nisalasalany nanao ireny fihetsika ireny ary dia nankasitrahan’izay nolalovany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT