Politique

Rajaonarimampianina “Firenena reraka no noraisiko tamin’ny 2014”


  • Alarobia 27 Jona 2018

Nitanisa ny lalana nodiavin`ny firenena tao anatin`ny 58 taona ny filoha omaly. Mbola nailiny tamin`ny teo aloha hatrany ny tsy fahombiazana ary toa omaly tsy niova ny lahateny nataony.

 

Mbola notsiahiviny indray ny fifandimbiasam-pitondrana niseho teto amintsika ary nambarany fa samy tompon’andraikitra amin’izany ny rehetra, fa ny misongadina hatrany, dia ny voka-dratsin’ny fambolena krizy sy ny fifanonganana teo amin’ny asa fampandrosoana. Lasa nahazo vahana ny adilahy politika nampisamatsamaka ny fiarahamonina, hany ka ilay fahaleovana no natsimbadika ho fahalovana teo amin’ny fanodinkodinana nankany amin’ny lalan-tsy izy ny demokrasia. Toa nandroso nihemotra ny firenena nandritra ny 58 taona. Tsy takona afenina mantsy fa nandentika sy nampihemotra hatrany ireo krizy nosedraina, tsy afa-nitozo ny ezaka, tsy hita lany ny fahasahiranana, tsy mbola resy ny fahantrana. Nilaza ihany koa ny filoham-pirenena fa firenena reraka tanteraka no noraisiny tamin’ny taona 2014, izany hoe dimy taona taorian’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina, ary niaiky ny tenany fa mahantra ny Malagasy. Mahakasika ny fifidianana dia nanao antso avo an`ireo andrim-panjakana, ireo firaisamonim-pirenena, antoko politika rehetra ny filoham-pirenena mba hifarimbona hametraka ny fitoniana sy ny ara-dalàna ary ny fifampitokisana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana.  Kihon-dalana ary zava-dehibe ho an'ny vahoaka malagasy ny maneho ny safidiny, mba ahatongavana amin'ny fifandimbiasam-pahefana ara-pomba demokratika eto Madagasikara, amin'ity taona ity ary tokony hiditra an-kitsim-po ao anatin'ny firosoana amin'ny fifidianana. Nambarany koa fa ampy izay ny fanakorontanana sy fampihorohoroana ary tsy takona afenina fa nanimba ary nanapotika ny soatoavina maha malagasy ny fahantrana sy ny fahasahiranana ary ny krizy politika efa naharitra sy nifandimby teto Madagasikara hatramin'izay niverenan'ny fahaleovantena. Saingy misy tranga mahatsiravina ary tsy eritreretin'ny saina akory miseho sy voizina mafy amin'ireny tambajotra sosialy ireny. Ankoatra ny fanalàna baraka olona amin'ny resaka tsy marina, ankoatra ny fanaratsiana olona, ray aman-dreny, mpitondra firenena, amin'ny fahaizana mikirakira sy manararaotra ny lafy ratsin'ny teknolojia, dia iaraha-mahita ihany koa ny sary mamoafady sy tsaho ary ny lainga samihafa izay lasa toy ny kolontsaina ka mamolavola an-kolaka ny toe-tsain’ny fiarahamonina. Tsy mendrika ny olom-boafidy, tsy mendrika ny vahoaka malagasy, tsy mendrika izay heverina fa ray aman-dreny, ny manaratsy, manompa, manivaiva ary manosihosy ny hasina mahaolona amin'ny lahateny na fanehoan-kevitra izay atao, tahaka izay nitranga tato ho ato. Aoka hitondra dingan-dava ho amin'ny fampivoarana ny fampiasana ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra, hoy hatrany ny lahateniny. Toy ny mahazatra, dia nisongadina tao anatin`ny kabary miendrika ho fanaovam-beloma ny “mandroso nihemotra isika”, “tsy mbola resy ny fahantrana”, “efa vonona ny famatsiam-bola”, “hiara-kisandratra isika”… Izay matetika voalazan’ny filoham-pirenena Rajaonarimpampianina rehefa manao lahateny.  Notanisainy koa ireo zava-bita sy izay mbola atao eto amin`ny firenena. Adidin`ny mpitondra anefa izany amin`ny maha mpitondra azy saingy tsy misy zava-baovao. Tsy nahitana taratra ny tena lalan-kizoran`ny firenena ny lahateniny amin`izao enim-bolana farany amin`ny fotoam-pitondrany izao.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT