Tsy ratsy ny fifidianana, fa ny kimaimaika sy ny kajikajy maloto no toherina.
Tsy mazava ny lalàm-pifidianana nolaniana amboletra niafara tamin’ny fidinana an-dalambe nanomboka ny 21 aprily 2018 teo. Nivoaka ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana laharana 15-HCC/D3 ny 3 mey nanafoana ireo andininy nampifanolana sy nambara fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana, toy ny resaka “bulletin n°2”, ny fe-potoana 7 andro ho an’ny fihodinana faharoa … Mampiahiahy ny fahamaizan’ny HVM sy ny filoha naka ny hevitry ny HCC amin’ny tokony hatao eo anatrehan’ireo andininy nolavina, ka raha vao nahazo valiny dia nihazakazaka nampanan-kery ny lalàna ny filoham-pirenena. Tsy nisy izany ny tena dika farany na “version finale” ho an’ny lalàm-pifidianana, raha zohiana ny zava-nisy. Misisika mafy amin’izay ny fanjakana hiroso amin’ny fifidianana, izay vao mainka miteraka ahiahy ny amboletra. Torak’izany ihany koa i Andry Rajoelina sy ny MAPAR ary nihazakazaka nitety faritra sy efa manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, saingy toa tazanim-potsiny. Tsikaritra fa toa karazana sarin’ady no misy eo amin-dRajoelina sy ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina. Mody mifanakiana, kanefa dia i Andry Rajoelina izao no nilaza fa raha misy tsy fitiavana ny filoha, dia aleo amin’ny fifidianana izy no hesorina raha “miala Rajao, izao dia izao”, no noventesin-dry minisitra Christine Razanamahasoa fony teny an-kianja. Toa miha hita ihany izao fa nanao fifanarahana miafina, ka hifanolotra lakile tahaka ny tamin’ny 2014 indray amin’ny janoary 2019 no tanjona. Ravalomanana kosa lotoina sy hatao izay hanintsanana azy satria atahorana, ary mitombina hatreto ny hoe izy ilay olona ezahina hadaraboka na “l’homme à battre”, hoy ny vahiny. Mody mitsangana izao karazam-pikambanana sy ny kandida hafa sasany izao, mba hanadalana saim-bahoaka sy hanaparitahana vato fotsiny. Ny praiminisitra hikarakara ny fifidianana, dia ny MAPAR no nanolotra azy, ny minisitry ny atitany, dia avy amin’izy ireo. Ny filohan’ny CENI ankehitriny, dia efa olona notendrena ho filohan’ny CENIT tamin’ny tetezamita. Izay izany no antony hisisihana amin’ny fifidianana ? Atao mahagaga ve raha misy ahiahy maro momba ny fikarakarana fifidianana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.