Iray volana mahery izao no nitsanganan’ny governemanta Ntsay Louis Christian. Iaraha-mahita fa mikatso ny raharaham-pirenena. Mipoitra daholo ny karazana olana kanefa tsy misy voavaha.
Toa miha mahazo vahana sy aina ny tolona sendikaly sy ny fitakiana etsy sy eroa noho ny hadalan`ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Horace Gatien, vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso tamin`ireo mpampianatra nitaky ny zony. Ny fampianarana amin`ny fanjakana rehetra dia mbola mihantona fa manohy ny fitakiana. Ny fanadinana ara-panatanjahantena, ohatra, dia naato. Toa lasa fanambaniana mantsy ny mbola nanendrena minisitra Hvm. Tsy mbola nisy hatramin`izay nisian`ny fitondrana teto Madagasikara ka amin`ny andro alina no manao famindram-pitantanana ny minisitra miala sy ny vaovao, toy ny nahazo an`i Maharante Jean de Dieu, izay minisitra efa tsy nahomby teo amin`ny minisiteran`ny asa sy ny asa sosialy. Mbola olana tsy voavaha amin`ny fiainam-bahoaka koa ny an’ny mpitatitra, ny eny amin’ny oniverisite … Sempotra ny fitondrana satria tsy misy voavaha ny olana izay miitatra hatrany. Mila mifanolo-tanana miara-miasa akaiky sy miara-miantoka ny sehatra politika amin`ny fahaiza-manaon`ny mpitondra sy ny mpiandraikitra ny raharaham-pirenena. Ny tsy fandehanan-draharaha izao dia manery an`ny praiminisitra hanova governemanta raha tiany tsy hampiditra lalina ny Malagasy ao anaty krizy indray. Ny firafitry ny governemanta tany am-piandohana dia efa nampahiahy ny rehetra satria mbola nahitana minisitra maro avy amin’ny Hvm. Efa hitam-poko sy hitam-pirenena fa ny minisitra HVM no vato misakana ny raharaha sady tsy nahomby hatrizay saingy mbola natao letrezana ny nanendrena azy ireo. Natao ho governemantan`ny fitoniana ity kanefa toa nampiakatra maripana teo amin`ireo mpanao fihetsiketsehana. Raha te hamaha olana faran`izay haingana ny praiminisitra Ntsay dia tokony hoesorina tsy ho mpikambana ao anaty governemanta intsony ireo minisitra HVM. Isak’izay anontaniana ny praiminisitra dia milaza fa “miroso mankany amin`ny fanatanterahana ny fifidianana” no tena imasoan’izy ireo. Satria izay no iraka goavana asaina ataony ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.