Lasa ataon`ny mpanao politika fitaovana ny fiangonana sy ny fivavahana hatramin’izao mba hahafahana mahazo toerana ary misy koa mpitondra fiangonana miditra amin`ny raharaha politika.
Lalana sy adidy ary andraikitra samy hafa ny fitondram-panjakana, izay mitantana firenena sy ny fitondrana fiangonana. Fototra iray mampisavorovoro ny tany sy ny firenena raha vaota ny tsy tan-dalàna, raha vao tsy manaja ny lalàna ireo rafitra antanantohatra amin`ny fitondrana ny tany sy ny firenena. Nitondra fanazavana i Imbiky Herilaza, mpahay lalàna, mahakasika ny tany tan-dalàna sy ny tsy fifangaroan`ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana. Hitondra filaminana raha hajain`ny mpitondra izany satria hiara mahafantatra fa mampikorontana ny firenena ny fifangaroana nisy hatramin`izay ary niteraka fivakivakisan`ny fiangonana mihitsy, hoy ity mpitsara ity. Nisy mihitsy mpitondra fanjakana nanidy fiangonana amin`izay fitsabahana amin`izay raharaha politika izay. Nisy ihany koa ny mpitondra fiangonana lany tamin`ny fampiasan`ny vola avy aty amin`ny fanjakana satria tia hanana “main mise” ny fitondram-panjakana. Ka izany no hitondrana ny fitoniana ara-tsosialy satria izany no tena asan`ny fiangonana, hoy hatrany ny fanazavana. Tokony ho ny fitondran`ny mpitondra no hamboarina. Tsy mety amin`ny fandaminana amin`ny tany sy firenena. Maro ny voka-dratsy amin`ny tsy fifehezana izany tany tan-dalàna sy ny fifangaroana ny finoana sy ny fanjakana izany. Ny fiangonana amin`ny raharaham-pirenena tsy mitovy amin`ny raharaham-panjakana ohatra amin`ny sehatra sosialy, fampianarana, fanajarian-tany, ny fiarovana. Manana anjara betsaka ny fiangoanana amin`izany fanatsarana izany fa tsy amin`ny raharaham-panjakana sy amin`ny raharaham-politika. Misy ny elanelany amin`ny lalàna sy ny fampiharana, hoy hatrany Imbiky Herilaza. Nohamafisin`i Emile Ratefinanahary fa fanararaotan`ny mpanao politika sy fitondram-panjakana ny fidirana sy fiaraha-miasa izay hita mivantana ataon`ireo mpanao politika na ny mpitondra fiangonana lasa manao politika. Mifandraika amin`ny krizy ary mahatonga an`izao olana maro izao. Io tsy fanajana ny lalàna sy tsy fisian`ny fisaraham-pahefana, hoy ny filohan`ny Olon`ny Hasin`ny Tany. Araka izany, nikarakara hetsika entina hanazavana amin`ny mpanao gazety sy ny mpikambana ao aminy ny Fikambanana Olon`ny Hasin`ny Tany manoloana ny zavatra hita izay tokony hamboarina eto anivon`ny tany sy ny firenena omaly tetsy Antaninarenina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.