Politique

Raharaham-pirenena Hilaza ny heviny i Onitiana Realy


  • Zoma 20 Jolay 2018

Hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena anio alina amin’ny alalan’ny fandaharana manokana ao amin’ny fahitalavitra TV Plus Madagascar, Rtoa Onitiana Realy , minisitry ny mponina nandritra ny 3 taona.

Mbola azo lazaina ho ao anatin’ny savorovoro sy ny krizy ny firenena amin’izao fotoana, maro ny olana tsy voavaha ary anisan’ny lehibe amin’izany ny momba ny fampianarana. Mbola adihevitra tsy mety vita ihany koa ny fifidianana sy ny sangodim-panina politika maro samihafa, ny tsy fandriampahalemana, ny fakana an-keriny, ny resaka vono olona sy fitsaram-bahoaka etsy sy eroa. Telo taona tao anaty fitondrana Rtoa Onitiana Realy izay mpanao gazety anisan’ny tena nahitsy fitenenana amin’ny filazana ny tsy mety eto amin’ny firenena hatrizay. Anisan’ny nanomezan’ny olona sasany tsiny azy ny fahanginany rehefa lasa minisitra izy. Zavatra izay tsy tokony hahagaga anefa satria voafehin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny firaisankinan’ny governemanta izy tahaka ny minisitra rehetra izay mandalo eo. Miverina ho olon-tsotra izy ankehitriny, mety efa manana ny fomba fijeriny ny zava-misy sy ny eritreriny amin’ny vahaolana tokony hirosoana koa andrasana izay fanehoan-keviny. Sokajian’ny maro sahady fa fiverenany eo amin’ny sehatra politika izao. Marihana fa olona manodidina ny 300  000 no nahazo tombontsoa mivantana tamin’ilay tetikasa Vatsin’ankohonana fony i Onitiana Realy minisitry ny mponina ; 35 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azo avy amin’ny banky iraisam-pirenena ary mbola hitohy hatramin’ny 2019 io tetikasa io.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT