Politique

Raharaham-pirenena Hatao anaty fahavaratra ny fifidianana


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Miditra amin`ny kihon-dalana farany amin` ny fanomanana ny fifidianana isika satria tapaka taorian`ny fanapahan-kevitra no raisin`ny Filankevitry ny governemanta ireo daty ofisialy hanatanterahana izany fifidianana izany.

Araka ny tatitra navoakan`ny praiminisitra lehiben`ny governemanta omaly dia hotanterahina ny 07 novambra ny fihodianana voalohany amin` izany fifidianana ho filoham-pirenena izany ary ary raha misy kosa ny fihodianana faharoa dia ny 19 Desambra 2018 ; daty roa izay samy ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana eto Madagasikara ireo ary manohitra avy hatrany ilay soso-kevitry ny HCC nivoaka tamin’ny 25 mey hoe atao ao anatin’ny main-tany ny fifidianana. Nohamafisin’ny Lehiben’ny Governemanta fa anjaran’ ireo sampandraharaham-panjakana sy ny CENI no mandray andraikitra amin’ny fikarakarana ny fifidianana, amin’ireo daty voatondro ireo. Mipetraka eto ny fanontaniana : matoa ve nivoaka ny datim-pifidianana dia vonona avokoa ve ireo tetibola ilaina mahakasika ny fanatanterahina ny fifidianana? Mipetraka mantsy ny ady hevitra mikasika ny entin-manana ao anatin`izay fanatanterahina fifidianana izay. Ny teo anivon`ny CENI dia nilaza fa mbola misy vola eo amin`ny 17 Miliara Ar no tsy maintsy ho tadiavina hanatontosana izany. Ny antony dia mbola misy tsy feno eo amin`ny fampitaovana samihafa tao aorian`ny nandaniana ny lalam-pifidianana. Ny lalàna mifehy ny fifidianana izay nanome fepetra vaovao toy ny hoe ny famoronana birao fandatsaham-bato hatramin`ny 5 000 ary santionana ireo. Hatreto dia andrasana raha hifanaraka amin`ireo antoko politika tsirairay avy ity datim-pifidianana nivoaka ity fa ho hita eo ihany ny fanehoan-kevitra maro samihafa izay ho ataon`ireo antoko sy vondron-kery politika ireo. Ny azo ambara aloha dia hiatrika fifidianana ny firenena sy ny vahoaka ary kihon-dalana iray ahafahan'ny vahoaka mametraka ny safidiny ny fifidianana. Ho hita eo raha hitondra fitoniana sy fandrosoana ity fifidianana 2018 ity.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT