Politique

Raharaha “kung-fu”, Antananarivo fahirano … Nodian-dRatsiraka Didier fanina


  • Zoma 14 Aogositra 2015

Raha tsy heno mihitsy ny Amiraly Ratsiraka nandritra ny fifidianana Ben’ny tanŕna sy ny mpanolotsina farany dia nivoaka tamin’ny fahita lavitra roa tsy miankina teto an-drenivohitra ny tenany nanao fanambarana nanaitra toy ny fanaony.

Na dia tsy hisy vokany firy amin’ny fiainam-pirenena firy intsony aza ny raharaha nahafaty ny jeneraly Ratsimandrava Richard dia somary nanaitra indrindra ireo manamboninahitra ambony sy jeneraly ary ny fianakaviany ihany ny fanambarana fa ny jeneraly Andriamahazo Gilles no namono ny Jeneraly Ratsimandrava Richard ka nambarany fa Atoa Latimer Rangers izay mpanao gazety no namoaka ny vaovao. Na ho inona na inona lazainy dia tsy ho afa-miala ny Amiraly Ratsiraka fa tsy maintsy hotsarain’ny tantara daholo izay nandalo teo amin’ny fitondrana teto Madagasikara.

Tsy noresahina nandritra ny fandaharana omaly ny nanaovana fahirano an’Antananarivo tamin’ny taona 2002 sy ny nanapoahana ireo tetezana lehibe rehetra sy nanana ny toerany lehibe teo amin’ny fifamoivoizana teto Madagasikara, ny raharaha kung-fu tamin’ny taona 1985, kanefa tsy midika izany fa hadino tsy akory na dia azo atao tsara aza ny mifamela. Ny tantara mipetraka foana. Misy ihany koa ny milaza fa te hanao pi-maso farany amin’ny filoha am-perinasa Ratsiraka hametrahany sonia farany eo amin’ny fanaovana politika kanefa azo eritreretina ihany koa hoe efa manao resaky ny nahazo taona ihany koa ny tenany.

Andry Ratovo 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT