Nanamafy ny amiraly Didier Ratsiraka ny alarobia alina teo teny amin’ny hotely Carlton Anosy fa nanampy an’i Andry Rajoelina nanongana an’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009, nandroso hevitra ny hananganana tetezamita ifanarahana ary nilaza fa nanome fitaovana ny haino aman-jery VIVA.
Mazava be izany izao fa mitombina ny ampamoaka nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina fa tena nomanina vondron’olona nivorivory tetsy sy teroa ny raharaha 2009 fa tsy hetsi-bahoaka izany ary tena fanonganam-panjakana.
Valifaty
Ilay horonam-peo nilazan’ny amiraly ny heviny momba ny raharaham-pirenena sy nanakianany ny fitondrana Ravalomanana nandeha tao amin’ny fahitalavitra VIVA ny alin’ny 12 desambra 2008 no fiaingana. Io no nitarika ny fanakatonana ity haino aman-jery ity sy niantsoan’i Andry Rajoelina ny olona mpanara-dia azy hidina an-dalambe. Nampahatsiahy i Didier Ratsiraka fa ny 7 febroary 2009 teo Ambohitsorohitra dia nilaza tamin’ny olona ny jeneraly Dolin mba hijanona fa faritra mena. Niditra ny lapa ny jeneraly Dolin sy Monja Roindefo samy tsy nisy voatifitra, fa ny olona no nisy nitifitra avy any aoriana sy avy amin’ny andaniny roa. Taorian’ny fitifiran’olona teny Ambohitsorohitra i Didier Ratsiraka no tapa-kevitra ny hisaraka amin’ny hetsika tarihin’i Andry Rajoelina satria “nisy ny ra latsaka”, tsy araka ny nifanarahan’izy ireo tany Frantsa tamin’ny nikotrehana azy iny. Midika izany fa mbola niara-dia tamin’i Andry Rajoelina izy ny 26 janoary 2009 nisian’ny fandrobana sy fandorana ny RNM, TVM, MBS, ny orinasa Tiko sy trano fivarotana ary orinasa maro teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra ary nahafatesana Malagasy maro. Nitohy tamin’iny 7 febroary 2009 iny. I Pierrre Houlder, mpitondra tenin’ny MAPAR, rahateo dia nampahatsiahy tamin’ny radio Viva ny tenin’ny Amiraly momba iny 7 febroary 2009 iny fa “olony no betsaka teny Ambohitsorohitra sy maty teny”. Samy nahatakatra ny rehetra fa endrika fandemen-tsaina natao an’i Marc Ravalomanana mba hampilavo lefona an’ity farany sy hanafaingana ny firodanany iny. Tsy miafina amin’ny fomba fanehoan-kevitry ny amiraly Ratsiraka hatramin’ny niverenany teto Madagasikara fa tsy levon’ny vavoniny mihitsy ny nandresen’i Marc Ravalomanana azy tamin’ny 2001 ary azo antoka fa io no tena antony goavana nanekeny hanampy an’i Andry Rajoelina hanongam-panjakana tamin’ny 2009.
Namotika ny firenena
Niaiky koa anefa ny amiraly Ratsiraka, izay miaramila nahavita “Ecole de guerre” sy nianatra lalàna fa tsy azo idirana ny faritra mena n’aiza n’aiza eto ambonin’ny tany na inona na inona mety ho antony; ary manana adidy sy andraikitra hiaro izany faritra izany ny mpiambina azy, eny fa na dia hitifitra aza. Ka mipetraka eto ny fanontaniana : inona moa izany ny antony nitoriana sy nanamelohana an’i Marc Ravalomanana ho namono olona noho ny raharaha 7 febroary 2009 ? Tsy Atoa isany Andry Rajoelina sy Didier Ratsiraka izay nikononkonona fanonganam-panjakana tany amin’ny «Villa Madrid» any Paris ve no tokony hataon’ny Fitsarana fanadihadiana lalina sy alaina am-bavany ? Potika ny firenena ankehitriny, mahantra ny 92%-n’ny Malagasy noho iny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny kanefa izany toa afaka mivezivezy eto an-toerana sy any ivelany am-pilaminana tanteraka ireo atidoha nikotrika azy; ary ny tena mahatalanjona dia mirehareha amin’ny zavatra nataony izy ireo. Mbola hitohy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.