Politique

Raharaha 1 miliara tamin’ny baoritra Nilentika aiza ny ankety ?


  • Alarobia 12 Aogositra 2015

Efa ho roa volana tamin’ny alahady lasa teo no nahitana tetsy Namontana, ilay vola roa baoritra tao anatin’ny fiara nentin-dramatoa Rakotomanga Lanto,

 

Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Boriborintany faharoa teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny lokon’ny antoko Mapar. Nenjehin’ny mpitandro ny filaminana hatrany Anosy ry Rakotomanga Lanto tamin’io, ka teo Namontana no voabahana ny fiara nentiny. Roa vavy izy ireo no tao anatiny. «Iray miliara Ariary» moa no nambaran’ny mpitandro ny filaminana naka an-keriny ilay vola fa «1 miliara sy 48 tapitrisa» kosa, hoy i Pierre Houlder, mitondra tenin’ny antoko Mapar. Nanaovan’ny mpitondra serasera be ity raharaha ity, noho izy nitranga tao anatin’ny fotoana nikasan’ny depiote hanongana ny filohan’ny Repoblika tao anatin’ilay «motion de déchéance» nalefa teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Ny vaovao farany re tamin’iny raharaha iny dia ny hoe efa nalefa any amin’ny kitapom-bolam-panjakana ireo vola saingy ny nampametra-panontanina kosa dia ny hoe : inona ihany ilay hoe tratra ambodiomby (flagrant délit) ny Solombavambahoaka Rakotomanga Lanto ?

Nilokaloka

Ny jeneraly Rakotoarison Anthony, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny zandarimariam-pirenena moa dia nilokaloka ery nandritra ny valandresaka natao tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny toby Ratsimandrava taorian’iny, fa tsy maintsy mbola hampahafantarina eo ihany ny anton’ny fisavana sy ny votoatin’ny heloka maha «flagrant délit» an’iny kanefa hatramin’izao dia tsy hita izay tohiny. Ny fanamarihana faharoa dia hoan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) izay efa nanambara ihany koa fa tsy miandry fitoriana intsony manomboka izao fa na vaovao mampiahiahy mivoaka an-gazety aza dia efa azo anokafana fanadihadiana. Tsy nisy mpampita vaovao tsy nitatitra iny raharaha sady hafahafa no toa niendrika fanamparam-pahefana iny kanefa tsy misy hetsika nataon’ny Bianco. Dia amin’ny fomba ahoana no mbola hatokisana mpitandro ny filaminana amin’izany ? Ny volan’ilay olona tsy miverina aminy, ny fiarany nopotehina ary ny fanadihadiana tsy nasiana tohiny.

Andry Ratovo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT