3 taona tsy nandray karama izahay teo anivon’ny Air Madagascar, hoy i Rado Rabarilala omaly teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Maro loatra ny tsy rariny teto ka tsy misy resaka be atao fa dia miala aloha ny filoha Rajaonarimampianina izay vao azo heverina ny hiverenana amin’ny resaka an-databatra.
Tsy azo ekena ny fampijoroana io governemanta io, hoy izy. Nahitsy i Rado Rabarilala raha nilaza fa “manaja anareo depiote nitarika ny tolona izahay, saingy tsy mbola tonga amin’ny tena fanovana isika. Raha hanaraka ny fitsipiky ny antoko (discipline de parti) ianareo ka hijanona dia tohizan’ny sendika ny tolona fa tsy mety izao. Tsy azo ekena. Miala ny filoha Rajaonarimampianina, vao miresaka satria io rangahy io no fototry ny zavatra tsy mety rehetra eto”. Izany mihitsy no tena izy, hoy ireo mpitolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Aoka tsy hifamitaka fa Rajao miala no tanjona, dia izay ihany fa tsy miovaova eny an-dalana eny, hoy izy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.