In’efatra notsidihan’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana ny tanànan’Antsirabe tao anatin’ny iray volana,
ary in-droa nandritra ny fampielezan-kevitra. Izay mahavangivangy tian-kavana, fa ny tena marina dia te handray an-tanana ny fampandrosoana an’ity tanàna faharoa lehibe eto Madagasikara ity i Dada amin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna avy amin’ny antokony, dia ny kandidà Tovo Rabarijaona. Tsy afaka manao fampandrosoana anefa isika raha tsy lany izy, satria efa maro ny asa hiandry azy rehefa vita ny fifidianana, toy ny fanarenana ny tsenan’Asabotsy. Nanome toky ny vahoakan’Antsirabe Atoa Marc Ravalomanana fa hanampy 100% ireo Ben’ny tanana ny tenany rehefa lany ireo.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.