Politique

Propangandy tany Sambava Tanora 3 namoy ny ainy, 4 maratra mafy omaly


  • Zoma 24 Jolay 2015

Andro maloka ho an’ny antoko Leader Fanilo any Sambava ny omaly alakamisy 23 jolay.

 

 Namoy ny ainy tamin’ny lozam-pifamoivoizana ny telo amin’ireo mpanohana ny kandidan’ny antoko any Ambodiampana. Tanora maromaro izy ireo no nikiraviravy tamin’ny sisin’ny kamiao nentin’izy ireo nanao fampielezan-kevitra. Nifanena tampoka tamina kamiao tao anaty fiolahana anefa ary tsy afa-niala ka nofaohin’ny “retroviseur” izy ireo, ny lalana rahateo somary teritery. Maromaro no indray nidaraboka tamin’ny tany vokatr’izay ary nisy voahosin’ilay kamiao. Vokany, telo maty tsy tra-drano ka ny roa amin’ireo dia mpianatra tokony hiatrika fanadinana bakalorea sy BEPC amin’ny volana aogositra io. Misy olona efatra hafa koa naratra mafy tsaboina ao amin’ny hopitalin’i Sambava. Tamin’ny lalam-pirenena faha-5 miazo an’Andapa, teo anelanelan’i Belalono sy Ambinany Antsahabe no niseho ny loza omaly manodidina ny mitatao vovonana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT