Mafotaka dia mafotaka ny famoriana vahoaka hanatrika ny fanazavan-kevitra ataon’ireo kandidŕ isan’isany amin’izao fiatrehana ny propagandy izao ankehitriny. Samy manana ny fomba fiantsoany ny olona hanatrika ireny famoriam-bahoaka ireny ny kandidŕ tsirairay avy amin’izany.
Ao ireo misioka tokana araka ny filaza fotsiny dia efa tonga ireo mpanohana azy manara-dia n’aiza n’aiza sady efa olona resy lahatra avokoa. Ao kosa ireo mampiasa mpikaraman’ady eny anivon’ny fokontany samihafa eny ka mamory olona amin’ny alalan’ny fanambazana azy ireo lelavola kely roa arivo na telo arivo ariary. Tonga tokoa ny olona fa sahirana ara-bola nefa mbola misy ihany koa ireo voafitaka fa hampiandrasina amin’ny fandoavam-bola karamany. Matetika aza, raha ny zava-misy tsikaritra tao ho ao, dia zaza tsy feno taona afaka hifidy akory no tonga mameno ny toerana hivoriana. Azo ambara fa tena voafitaka an-kitsirano izao ireo kandidà amin’izany hamaroan’ny olona hitany izany nefa olona tsy afaka handatsa-bato ho azy akory ny ankamaroany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.