Hanomboka amin’ny 16 jolay 2015 ary haharitra 15 andro ny fampielezan-kevitra momba ny fifidianana kaominaly
. Ho an’Antananarivo Renivohitra dia toerana miisa 52 no nofaritan’ny prefektiora ho azon’ireo kandida miisa 9 anaovana fampielezan-kevitra. Mety mbola hiampy io ankoatra ireo tanin’olon-tsotra. Na aiza na aiza anefa dia tsy maintsy ahazoana alalana avy amin’ny prefektiora ny toerana sy ny fanaovana fampielezan-kevitra. Mety mitarika fanilihana an-daharana ny tsy fanajana izany. Nampahafantarina ireo kandida sy ny avy amin’ny Kaominina izany omaly, fotoana ihany koa nanombohana ny fandraisana ny fangatahan’ireo mpifaninana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.