Nivoaka tamin’ny fahanginany tamin’ny faran’ny herinandro teo ny Printsy Elakovelo, HFI eo anivon’ny antoko AREMA.
Nambarany fa tsy mbola fotoana tokony hanaovana fifidianana izao ho an’ny tany mikorontana toa an’i Madagasikara. Izay jerena fitokonana avokoa nefa fididianana eken’ny rehetra no takian’ny vondrona Eoropeanina izay mpamatsy vola. Ny fandaminana ny ativilanin’ny firenena aloha no tokony himasoan’ny fitondram-panjakana ho an’ny HFI Arema. Anisan’izany ny famoriana ny hery velona rehetra sy ny olon-tsotra ao anatin’ny fifampiresahana sy ny fifanajana hahafahana mamoaka ilay fifanarahana ara-politika sy fifanarahana ara-toekarena eken’ny rehetra. Ny mahamaika ny sasany hiroso amin’ny fifidianana mantsy dia ny hahafahany mangalatra hivarotana ny harem-pirenena sy ny tanindrazana amin’ny vahiny. Nasiany resaka manokana ny IEM an’ny filoha mpanorina ny vondrona MAPAR izay nomarihiny manokana fa hivarotana an’i Madagasikara amin’i Frantsa. Ny filoha Ratsiraka anefa dia sahy niady tamin’ny Frantsay niarovana ny firenena ka anisan’ireny ny fandroahana ny “base militaire” teto amintsika. Miantso ny amin’ny tokony handaminana ny raharaham-pirenena aloha ny Printsy Elakovelo mialoha ny tena hirosoana amin’ny fifidianana eken’ny rehetra.
Pati
a
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.