Politique

Primatiora Maka toerana ny Mapar


  • Talata 12 Jona 2018

Niroso tsikelikely amin`ny rafitra sy ny fametrahana ireo olona hiara-kiasa aminy eny anivon`ny Primatiora ny praiminisitra lehiben`ny governemanta Ntsay Christian.

 

 Voatendry ho talen`ny kabinetra  i Andry Herizo Rakotozafy, zanaky ny depiote Christine Razanamahasoa, solombavambahoaka Mapar voafidy tany Ambatofinandrahana. Niova ihany koa ny ankamaroan`ireo mpitantana teo aloha. Nanova olona sy ekipa, araka izany, ny praiminisitra Ntsay Christian. Nandritra ny fananganan-tsaina omaly maraina no nampahafantarina izany. Manomboka mametrapetraka rafitra ny eny Mahazoarivo amin`izao fotoana. Tsy azo lavina fa ny praiminisitra ihany no tompon-kevitra ao anatin`izay fametrahana ireo minisitra hiara-kiasa aminy ao anatin`izay governemanta izay. Amin`ny maha marimaritra iraisana an`ity governemanta ity anefa dia ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra no anisan`ny misafidy an`izay ho minisitra handrafitra izao governemanta vaovao izao izay hikarakara fifidianana izay anio.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT