Nanara-dia ireo filohan’antoko tsy nahovoka tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao ny 31 jolay 2015 teo koa ny praiminisitra Jean Ravelonarivo
. Na dia tsy mbola nitonona nivantana ho olon’ny HVM aza ny jeneraly Jean Ravelonarivo dia ny fahitana an-dRtoa Josiane Ravelonarivo vady andefimandriny nitotototo nitety faritra sy nifofotra mafy nanao izay hampandaniana ireo kandidan’ity antoko eo amin’ny fitondrana ity, dia mamatotra azy amin’izany. Tsy masina an-taniny anefa ny azy, satria very lavitra tany amin’ny laharana faha-2 ny taorian’ny Leader Fanilo (41,30%) ny HVM (30,60%), fahatelo ny Arema (28,07%) tao amin’ny Kaominina Vohimasy, izay fiavian’ny praiminisitra any amin’ny Distrikan’i Farafangana. Tsy nahovoka koa ny HVM tao amin’ny Kaominina Mahafasa izay fiavian’ny mpanolotsainy akaiky, fa resin’ny Leader Fanilo (36,77%), HVM (26,57%), Antoko Maitso (11,46%). Na teny Sabotsy Namehana fiaviany, na tao amin’ny CEG Tsimbazaza nandatsahan’ny filoha mpanorina ny HVM, Hery Rajaonarimampianina vato koa aza tsy namokatra ny HVM, ka eo no mampametra-panontaniana ny maro hoe any an-tananany aza ny lohandohan’ny mpisoron’ny HVM tsy mahovoka ka ahoana ity vokatra mangamanga be raofina amin’ny sobika ity ? Mampieritreritra an !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.