Politique

Praiminisitra Ntsay Christian Tena tsy hitanila tokoa ve ?


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Tsy ampy 2 volana akory izao no nanendren’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina an’i Christian Ntsay ho praiminisitra vaovao.

Raha praiminisitry ny marimaritra iraisana sy ny fiaraha-mitantana no sata nametrahana azy teo amin’ny toerany ary voalaza fa napetraka mba hanomana fifidianana mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara sy tsy mitanila dia mipetraka ny ahiahin’ny maro ankehitriny fa saiky voahodidina mangamanga n any HVM foana tato ho ato izy. Raha vantanina ny resaka dia hita ho miara-dia matetika amin’ny filoham-pirenena mitokana zava-bita etsy sy eroa ihany koa. Na tsy ho isan’ny kandida aza anefa Rajaonarimampianina dia tsy azo inoana fa tsy hanana kandida ny HVM. Efa voatsikera ho propagandy mialoha ny fotoana hatrany rahateo ny fitetezam-paritry ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy hitanila tokoa ve ity praiminisitra hanomana fifidianana ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT