Tsikaritra ho toa manomboka be resaka tahaka ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier ny praiminisitra ankehitriny Ntsay Christian.
Io angamba no tonga amin’ilay fitenenana hoe manao zavatra tsy mora sy tsy vitan’ny vava fotsiny, fa arakakaraka ny fampanantenana ataony no hisehoan’ny zavatra mifanohitra amin’izany. Nambara fa anisan’ireo teboka sy iraka lehibe sady laharam-pahamehana ho azy ny fametrahana fandriampahalemana sy fitoniana eto amin’ny firenena, saingy tsy izay no miseho. Raha ny resaka takelaka mena ho an’ny fiaram-panjakana, ohatra, dia tsikaritra ho tratry ny mena ambanin’ny mena angamba satria na ireo fiara mpanaraka ny filoha aza, dia misy tsy manao izany hatreto. Ny resaka fitoniana na ara-politika na ara-tsosialy, dia tsy misy, ary karazan’ny hanaovana vahaolana kopisoroka ihany. Natao sonia teny Mahazoarivo ny zoma 20 jolay teo, ohatra, ny ambara fa valin’ny fitakian’ny mpanabe, kanefa tsy nivaona tamin’ireo efa nolazain’ny minisitra Horace Gatien ny ao anatiny, izay efa nolavin’ireo mpampianatra ao anatin’ny SEMPAMA hatry ny ela. Hiainga amin’ny tambin-karama 25.000Ar manomboka amin’ny oktobra, ary amin’ny 2019 vao hiampy,… Tsy niandry ela ny valin-kafatry ny mpampianatra avy amina faritra maro, toy ny any Mahajanga fa vao mainka hihamafy ny tolona. Hangotraka ny any Antsirabe, Ambatondrazaka, Antalaha,… ho an’ny anio. Hiverina indray ve ny fampiasan-kery, toy ny efa nanemporana lakrimozenina ny mpitolona teny Anosy ny 5 jolay ? Sa kosa hiafara amin’ny fanapahana ny karaman’ireo mpampianatra mba mitaky ny zony noho ny fahitana fa misy ny tsy rariny sy ny fitanilana eo amin’ny karaman’ny samy mpiasam-panjakana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.