Haverina ho « plaque rouge » avokoa ny fiaram-panjakana rehetra eto amintsika, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, tamin’ny fotoana nanolorany ny fandaharan’asa momba ny fanohizana ny fampiharana ny PGE na Politika ankapoben’ny Fanjakana teo anatrehan’ireo solombavambahoakan’i
Madagasikara niisa 40 mahery kely teo ho eo. Niompana tamin’ny teboka 3 lehibe ny fanoloarany an’izany PGE novolavolainy niaraka tamin’ireo minisitra miaraka aminy izany dia ny mikasika ny fifidianana, ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana ary ny fitantanana ny raharaham-panjakana izay nambarany fa natolony tamin’ny toe-tsaina mandala ny fitoniana, ny fifandeferana ary ny fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy. Tafiditra indrindra eo amin’ny ady amin’ny kolikoly katsahan’ny firenena ankehitriny hisian’ny fitantanana mahomby eo amin’ny raharaham-panjakana Malagasy io famerenana ho “plaque rouge” indray an’ireo fiaram-panjakana eto amintsika io miaraka amin’ny fijerena manokana ny ara-toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Fa hifarimbona sy hifanome tanana amin’ny governemanta eo amin’ny fanatanterahana ireto fanamby iankinan’ny aim-pirenena ireto isika mianakavy dia ny fanamby hampanjaka ny fitoniana ary hampandry fahalemana ny firenena amin’izao vanim-potoana hirosoantsika any amin’ny fifidianana izao, ny fanamby hamerenana ny hasin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana eo anivon’ny governemanta sy ny sampan-draharaha rehetra mipaka any amin’ny fokontany, ny fanamby hanampiana ny tanora hiatrika amim-pahendrena ny hoaviny ary ny fanamby hampitraka indray ny voninahitry ny Malagasy. Nambaran`ny praiminisitra fa tsy maintsy hajaina ny zon`ny mpifaninana amin`ny fifidianana, indrindra amin`ny fanehoan-kevitra; ary hanome tanana an`ny CENI amin`ny fikarakarana ny governemanta hampitovy lanja ny kandidà mpifaninana. Nampatsiahy ny praiminisitra fa tsy maintsy hajaina ny zo sy fahalalahan’ny mpifaninana haneho hevitra araka ny voalazan’ny Andininy faha-10 ao amin’ny lalàmpanorenana. Ny solontenam-panjakana isan-tsokajiny no hampihatra, handrindra sy hampanaja izany. Izay no hitakiana ny fandraisana andraikitra tsy mitanila eo amin’ny solontenam-panjakana mikirakira mivantana ny fanomanana ny fifidianana. Ireo voatanisa ireo ny fomba handaminana ny asan’ny governemanta eo amin’ny fanatanterahana ny PGE ao anatin’ny vanim-potoana iatrehana ny fifidianana ka raha ireo no tanteraka dia azo lazaina fa miroso amin’ny filaminana isika, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian.
Ntsoavina Evariste sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.