Tonga nanatitra nivantana ny antontan-taratasy misy ny fanambaram-pananany teny amin’ny biraon’ny HCC eny Ambohidahy omaly tolakandro ny praiminisitra Ntsay Christian.
Voalohany dia manaraka tsara ny voalazan’ny andininy faha-41 ao amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy izao ataoko izao, hoy izy, sady hanaporofoana fa vonona haneho sy fanjakana tsara tantana sy vonon-kiady amin’ny kolikoly sy zavatra rehetra manabotry ny firenena ny governemata tarihako no antony nanaovako izao, hoy izy nanoloana ny mpanao gazety tonga teny an-toerana. Hisaorako etoana ny filohan’ny HCC nandray ahy sy namoaka didy nisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ao anatin’izao krizy mihatra aminy izao, hoy izy. Nambarany fa efa nanomboka ny dinika sosialy natao sy ny firesahana tamin’ireo sendika mikasika ny fitakiana ataon’izy ireo. Efa nekena ny ankamaroan’ny fitakian’ireo mpampianatra toy ny tambin-karama izay handoavana ampahany sahady amin’ity taona ity ary hotohizana amin’ny taona ho avy. Hisy ny “avancement” sy “classement” ary “indemnité” homena azy ireo ka mahatratra 155 miliara ariary ny tomban’izany rehetra izany nefa tsy ho vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanomezana fahafaham-po ho an’ny rehetra ka mahatoky ny fahendren’ireo mpampianatra aho mba tsy hanaovana sorona ny mpianatra.Misy ny tambin-karama ho zaraina amin’ny volana oktobra amin’ity taona ity; misy kosa ny ho avy amin’ny taona 2019 sy amin’ny taona 2020, hoy izy. Mbola haveriko etoana, hoy ny praiminisitra Ntsay Christian, ny tokony hananan’ireo mpitondra sendikaly fahasahiana mandray andraikitra mazava ary miteny ny marina amin’ny mpampianatra. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa kosa tetsy an-kilany fa tokony hamerina hanao fanambaram-pananana avokoa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.