Politique

Praiminisitra Christian Ntsay Nifampiresaka tamin’ny Amerikana sy ny Sinoa ary ny OIF


  • Talata 19 Jona 2018

Nifandimby noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian teny Mahazoarivo ny mpiandraiki-draharaha Amerikana miasa sy monina eto Madagasikara, Stuart Wilson, ny Solontenan’ny Biraom-paritry ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF) Malik Sarr, ary ny Ambasadaoron’i Sina, Ramatoa Yang Xiaorong.

Fotoana izay niresahan’i Stuart Wilson mahakasika ny endriky ny mety ho fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy Madagasikara manoloana ny toe-draharaha politika misy amin’izao fotoana izao. Manohana ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, ny amin’ny nanendrena ny Praiminisitra sy ny nananganana ny Governemanta, ny Governemanta Amerikanina ; fa indrindra ny firosoana amin’ny fifidianana ara-demokratika izay mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ka hiteraka fitoniana maharitra eto Madagasikara, hoy I Stuart Wilson. Nitondra ny teny fiarahabana avy amin-dRamatoa Michaëlle Jean Sekretera jeneralin’ny OIF kosa I Malik Sarr, tamin’ny fanendrena ny Praiminisitra. Nilaza ihany izy fa vonona hatrany ny fikambanana hanohana ny Governemanta Malagasy amin’ny fampandrosoana, indrindra fa amin’ny fanomanana ireo fifidianana ho avy satria teto rahateo no nandaniana ny Sata mifehy ny OIF.  Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’I Sina sy Madagasika, hoy ny masoivohony. Nasiana resaka ny fifidianana ary notsipihin’ny Ambasadaoro fa tsy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny malagasy izy ireo, ary manaja ny safidin’ny vahoaka. Manantena kosa fa hilamina ny savorovoro politika ka hiverina ny fitoniana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT