Mihazakazaka ny fahapotehan’ny firenena Malagasy satria ny vahoaka maditra sy sarotra alamina na koa sarotra entina sy mora ambakaina ary ny mpitondra adala tsy misaina afa tsy ny hameno kitapo.
Tia tena ny rehetra ary tsy te hiasa saina firy, kanefa te hanan-karena sy hanao fiainana avokoa. Ny toe-tsaina sy ny fanabeazana, dia mila ezaka be noho io fitiavan-tena io satria hisy olana foana na samy manana 1 miliara any amin’ny banky aza, raha izao zava-misy izao no tohizana. Havanana amin’ny fampanantenana ny mpitondra, ary mora manadino ny vahoaka, izay matetika ihany koa sodokan’ny zavatra tsy manao ahoana toy ny fizarazaran-javatra, indrindra fa amin’ny propagandy. Firifiry moa izay fampanantenana natao izay fa mba firy no tanteraka ? Raha handray ohatra isika momba ny tetikasam-pampandrosoana, dia goavana ny tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy na ny ODD (Objectifs de Développement Durable), izay miisa 17. Resabe ny antsika no betsaka fa ny fanatanterahana tsy misy, hany ka ilaozan’ny firenen-kafa lavitra. Raha handray ohatra telo ao anatin’ny tanjon’ny ODD, isika dia goavana ny resaka fametrahana ho laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka, ny angovo madio sy zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra, fampitomboana ny fananan’asa. Tsy misy kalitaon’ny fitsaboana mandeha amin’ny laoniny eto, fa ny vola no mikaonty. Tsy taka-bola ny saran’ny angovo noho ny politika maloto sy ny tsy fahaiza-mitantana, ka ny vahoaka no hampizakaina ny tsy eran’ny ainy. Ny politikan’ny fananan’asa dia ambony latabatra, ka tsy atao mahagaga raha mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Raha ny kolikoly nataon’ity fitondrana Rajaonarimampianina fotsiny no nampiasaina hanaovana asa sy tetikasa mivaingana mba mety efa nahaforona asa ana hetsiny, saingy tsy mahamaika. Aleo tsy manonofy fiovana raha mbola izay ihany no hekena e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.