Amin’ny politika eto amintsika, misy foana ny fanaovana tohatra fiakarana sy fifamadibadihana fa dia arakaraky ny fahaiza-mamindra ihany no hahalavo na tsia ny antoko na ny vondrona na ny mpanao politika iray.
Tsaroana tsara ny zava-nisy taorian’ny fifidianana filoha ny taona 2013, ka nitsipahan-dRajaonarimampianina an’i Andry Rajoelina rehefa azony izay nilainy taminy. Io no mampalemy ny antoko na ny fanakana iray, ary na i Marc Ravalomanana aza tamin’ny taona 2009, dia nanafaingana ny fionganany ny famadihana nataon’ny mpiara-dia niainga tamin’ny praiminisitra tamin’izany. Tsikaritra fa tsy ny foto-kevitra intsony no mibaiko ao anatin’ny politika eto, fa tanjona no iarahana, ka rehefa tonga amin’izay tanjona izay dia raikitra ny fifamadihana, ary izay mihitsy no niseho ny taona 2013 hoe: tanjona lehibe niarahan-dRajoelina sy Rajaonarimampianina tamin’ny tetezamita ny hitazona ny fahefana, sao hiverina eo Ravalomanana sy ny ekipany ka ho vaky eo avokoa ny afera tamin’ny tetezamita. Samy be kajy anefa rehefa tafavoaka ny baolina, ka dia nifamotika. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny tolon’ny 13 mey farany teo. Na nisy aza ny tanjona niarahana, vao nahita tsirony sy vokatra kely ny MAPAR dia tsy nahatanty ny mena miraviravy satria mamba noana efa ela tsy nihinana tao anaty fitondrana, ka nibitaka sy namadika ny vahoaka sy ireo depiote TIM raha vao nahazo maminy kely. Zary reharehan-dRajaonarimampianina sy hahafahany milaza fa mahafehy fanjakana izy matoa tsy voaongotra teo. Iza sy iza indray no hifamadika atsy ho atsy ? Efa miseho ao anatin’ny HVM aloha io amin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.