Tsy natao ho an’ny mora sendaotra sy marary fo ny politika, raha jerena amin’ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana.
Mila raisina amin’ny fo tony sy atao am-pisainana satria be fikafika. Tsy maintsy idiran’ny tombontsoa ary eo koa ny tazom-pahefana, ka ny zavatra ambara anio mety hadino na hodiana tsy fantatra sy hiniana kosehina rahampitso. Matetika ilay tsy eritreretina mihitsy no mitranga, ka maro ny vahoaka sy ny mpanara-dia no mety ho diso fanantenana. Antony iray mety hahatonga azy ireo ho kivy tanteraka, ka tonga hatrany amin’ny hoe leo politika, izay matetika efa re eny am-bavan’ny Malagasy sasany satria tsy araka ny lokaloka natao taminy sy ny fampanantenana novolena tao anatin’ny tsikalakalam-pieritreretany no asaina ekeny sy toaviny aty aoriana. Eo no mety hitarika azy tsy handray anjara amin’ny adidy tokony horaisina amin’ny maha olom-pirenena azy toy ny fifidianana, ohatra, satria ny olona nananany fitokisana aza tsarainy ho namadika ny velirano nifanaovana, mainka fa ny hafa. Politika anefa io, ka mila ampoizina ihany, indrindra fa aty amintsika. Zary lasa resabe ny resaka tsy fitazonana ny teny nomena, raha jerena amin’ny adihevitra samihafa momba ny fitsanganan’ny governemanta vaovao. Ny olona ve no tokony hotezaina hanam-po hatrany fa hivadika aminy ny mpanao politika nitokisany ka tsy tokony ho taitaitra ? Sa kosa ny mpanao politika no mila manova fomba famindra ka hitazona hatrany ny lokaloka nifanaovana ? Ny tsy azo lavina dia mbola mila fanovana goavana ny fomba fanaovana politika eto, ary mila manova ny toe-tsainy ihany koa ny vahoaka izay mety ho sakana amin’ny fampandrosoana noho ny resaka fahapotehan’ny toe-tsaina sy toe-panahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.