Manomboka mivoaka tsikelikely ny resaka ankehitriny ny amin’ireo dingana narahana mialoha ny nipoiran’ny anaran’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Ntsay Christian sy ny nanendrena azy avy eo.
Tsy takona hafenina fa na eo aza ny solombavambahoaka 73 ho an’ny fanovana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey dia mbola manana ny ambarany ihany koa ireo filoha teo aloha sady lehiben’antoko. Ary hery goavana mbola tena manana ny teniny ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ireo fikambanana iraisam-pirenena sy masoivoho eto Maagasikara. Nisy tokoa ny lisitra voalohany natolotry ny vondrona Mapar rehefa namoaka ilay fanapahan-kevitra tamin’ny 25 mey ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Anarana telo no tao anaty lisitra dia i Christine Razanamahasoa, Brunel Razafitsiandraofa ary i Tinoka Roberto. Nolavin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina avy hatrany io lisitra io, ka nisy lisitra faharoa indray natolotry ny Mapar miara-dia amin’ny fitondrana ka tao anatin’io ny minisitra 3 ao anatin’ny governemanta dia i Maharante Jean de Dieu, Ndahimananjara Johanita, Toto Lydia saingy nolavin’i Andry Rajoelina marindrano indray io soso-kevitra io. Mbola nisy lisitra hafa indray naroso avy eo ka hita tao ny jeneraly Rabotoarison Charles Sylvain, Pierrot Rajaonarivelo, Paraina Auguste, Horace Constant, Virapin Ramamonjisoa saingy tsy nahitana ny marimaritra iraisana hatrany. Nivoaka amin’izay ny lisitra farany ny sabotsy heriny teo ka tao anatin’io i Ntsay Christian sy manamboninahitra jeneraly misotro ronono avy any Vohipeno…ary dia voatendry moa avy eo i Ntsay Christian. Mbola nisy ny fihaonana avo lenta isan-karazany teo amin’ireo heverina fa olobe manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena mialoha ny tena nanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana ny alatsinainy 4 jona mba nandaminana ny zava-drehetra araka ny angom-baovao natao. Na izany aza anefa mbola mifono mistery hatrany ny tena nahatafidiran’ny anaran’i Ntsay Christian tao anaty lisitra satria tsikaritra tamin’ny endrik’ireo depiote Mapar niseho fahitalavitra ny alin’io alatsinainy 4 jona io ny ahiahy sy tsy tena faharesen-dahatra, ary nisy aza tamin’izy ireo no sosotra mihitsy tamin’ilay fanendrena. Fantatra kosa anefa fa nanatrika sady nahafantatra hatrany ireo dingana rehetra nambara ireo ny sehatra iraisam-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.