Politique

Pety Rakotoniaina “Vao mainka hiteraka krizy ny fifidianana”


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Ny 17-18 aprily lasa teo no namory olona tany Fianarantsoa ny Komitin'ny Fahamarinana sy Fandriampahalemana ary Fiadanana (K3F), ary nisy ny zavatra nambara tamin’izany saingy tsy hita mandrak’androany ny tohiny sy ny vokany.

Olona 1024 no nanatrika izany tany an-toerana, nanapa-kevitra ireo fa tsy tokony hisy fifidianana hatao raha tsy vita ny lalàmpanorenana vaovao sy lalàmpifidianana vaovao, ka tokony hiditra amin’ny antsoina hoe fifampiresahana nasionaly, hoy I Pety Rakotoniaina, raha nanontaniana momba ny tohiny omaly. Mila hapetraka hoe: inona no lalàmpanorenana mendrika sy mifanaraka amin’ny filantsika? Ny lalàmpifidianana hifanarahann’ny rehetra sy ny hametrahana fitsipika hiarahana izay tsy nisy hatramin’izay ka hatramin’izao? Amin’izao fotoana izao ny K3F manomana ny tohin’izay hanaovana izay fifampiresahana izay, hoy izy. Ny fototry ny ady hevitra dia nahoana no miverimberina ny krizy, izay efa ho fanineniny isika izao (1971, 1972, 1991, 2002, 2009, 2018) Ny valiny dia hoe tsy nitondra vahaolana isaky ny misy ny krizy ny hoe handeha hanao fifidianana, fa vao mainka misy krizy vaovao mipoitra, hoy i Pety Rakotoniaina. Ny vahaolana, hoy izy, dia handao hiarahana mijery ny fototry ny olana mahatonga ny krizy miverimberina io. Izay izany ilay hanaovana fifampiresahana nasionaly sy fanorenana ifotony, raha ny nambaran’ity mpanao politika ity. 


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT