Raha misy fahatongavan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana aty an-tanànan’i Fianarantsoa ankehitriny dia tsy misy hidirako izay antony hahatongavany aty fa manana ny fandaharam-potoanany izy.
Raha lazainareo fa nisy teny naherihery nataoko tamin’ny fotoanandro mavaivay teto amin’ny firenena ireny tamin’ny fotoana nialany teo amin’ny fitondrana dia tsy hitako izay lazaina amin’izany fa izaho dia anisan’ny nanatrika ny dinika fampihavanam-pirenena teny amin’ny CCI Ivato ary mankato izany resaka izany sady efa nisy ihany koa ny zava-nitranga tamin’ireny fotoana ireny ka tsy hitako intsony izay hambara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.