Hiakatra Fitsarana anio ao Fianarantsoa ny filoha nasionalin’ny antoko Tambatra sady kandida Ben’ny tanàna tao Fianarantsoa I tamin’ny 31 jolay 2015
. Fahafahana vonjimaika no didy savaranonando navoakan’ny mpitsara tamin’ny sabotsy 1 aogositra nitondrana an’i Pety Rakotoniaina teo anatrehan’ny mpitsara taorian’ny nisamboran’ny zandary azy tao Ambatomena ny marainan’ny andron’ny fifidianana, noho izy nambara ho nanakorontana ny fifidianana tamin’ny nanendahany trano fisainana sy nisavan’ireo mpanaradia azy ireo olona tonga hifidy. Afaka namonjy fodiana teo anivon’ny fianakaviany i Pety tamin’ny sabotsy, ary mpikambana maro ao amin’ny Tambatra no nanatitra azy hatrao an-tranony ao Tsianolondroa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.