Politique

Paul Rabary “Tsy hahavaha ny olan’ny fanabeazana ity fitondrana ity”


  • Alakamisy 26 Jolay 2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary manoloana ny fialany tsy ho mpikambana ao anatin’ny antoko HVM intsony. Nambarany fa fampifangaroana ny asam-panjakana sy ny politika no antony.

 

 Efa-taona no naha minisitra ahy ary iraka handray ireo mpampianatra FRAM miisa 40.000 sy hametraka ilay rafi-pampianarana vaovao PSE no nametrahana ahy ho minisitra fa tsy hampifangaro izany amin’ny raharaha politika. Ny nahavariana anefa, hoy izy tamin’ny fotoana izay nanatanterahana ny famindram-pahefana tamiko sy ny minisitra ankehitriny izay sady filoha lefitry ny filohan’ny antoko HVM dia nambaran’ity farany fa nampiditra ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana no nametrahana ahy teo amin’ny toerako nefa tsy nahafeno ny Coliseum ny HVM nandritra ny hetsika nataony teny an-toerana. Efa hatramin’ny ela anefa aho no nanaporofo tamin’ny HVM fa tsy iraka politika no nampanaovina ahy fa asa fanabeazana. Maro ireo zaikabe notanterahin’ity antoko ity saingy tsy nipoitra hatrany aho toy ny tany Toamasina, Fianarantsoa… sady tsy nandoa ny tsipaipaika mifandraika amin’izany ihany koa satria tsy natao handoa ekolazy ny minisitra. Ankoatra izay, tsy manana fifandraisana amin’ny tena vahoaka marina ny HVM satria olom-boatendry avokoa ny olony fa tsy misy olom-boafidy, hany ka tsy sarotra ny mampifandray ireto roa farany. Tsy tokony hanerena olona tahaka izany anefa ny politika tahaka ny tsy hanerena olona iray hivavaka ihany koa fa rehefa hitany fa mety ny hataonao dia manaraka ho azy izy. Nomarihin’i Paul Rabary fa efa ela no nisy disadisa tao amin’ny HVM saingy tsy nataony ho sakana tamin’ny asa fanabeazana niantsorohany. Na ny samy HVM aza tsy mahay mifampiresaka raha oharina amin’ny MAPAR sy ny TIM. Mikasika ny olan’ny mpampianatra manokana dia nomarihiny fa any aminy ny laklé satria tsy hahavaha izany mihitsy  izao fitondrana mijoro  izao.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT