Politique

Paul Rabary Niala HVM fa ho kandida filoha…


  • Talata 24 Jolay 2018

Tiako ny mampahafantatra anareo ny fialako tsy ho mpikambana intsony ao amin'ny Antoko HVM, hoy ny fanambarana fohy nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary, tao amin’ny tambajotra fesibokiny omaly alatsinainy 23 jolay maraina.

 

Mpikamban’ny birao maharitry ny HVM anefa ny tenany, ary tsy mba noesorina tao anaty fitondrana  nandritra ny 4 taona sy tapany. Noho ny tsy fitoviam-pijery intsony no antony, hoy izy. Nasiany tsindrim-peo ny filazan’i Rivo Rakotovao filohan’ny HVM fa tsy nahavita ny andraikiny ity minisitra ity, saingy tsy anjaran’i Paul Rabary ny miteny izany raha ny nambarany. Niezaka nampiseho ny tenany fony mbola teo, fa niasa sy nahavita nitaha amin’ireo namany, toa an-dry Rivo Rakotovao izay nafindrafindra toerana maro tao anatin’ny 4 taona, saingy toa tsy hita izay nafitsoka. Reharehany, ohatra, ny nahatafidirana mpampianatra FRAM 40 000 ho mpiasam-panjakana. Vao ny 20 jona i Rivo Rakotovao no namendrofendro fa rariny ny fitakiana sendikaly ataon’ny mpampianatra ka nambarany fa tsy nahavita ny asany ity minisitra ity. Raha nandefa saina lavitra sy tena madio fo sy momba ny mpampianatra anefa ity lehiben’ny HVM sy ny antenimierandoholona ity, dia niady mafy mba nampidirana ny fitakiana tao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana fa tsy nandany izany fahatany, toy ny tamin’ny lalàm-pifidianana. Toa efa tsara omana izao fihetsika sy fanapahan-kevitr’i Paul Rabary izao. Raha vao nandray ny minisitera niantsorohany izy, dia niezaka nitakosina tamin’ny zana-bahoaka sy ny Malagasy hatrany ambany ravinkazo mba hilazana fa akaiky ny rehetra. Karazan’ny efa mitombina ny hirotsahany hofidiana filoha, raha tombanana amin’ny fihetsiny hatramin’izay sy ny sary avoakany amin’izao, izay efa maneho ny teny Filamatra hoe : « Ny Fireneko… miara mihary, miara-miasa, miara-mandroso ». Raha ny siosion-dresaka, dia ny sabotsy izao izy no mety hanao fanambarana ofisialy fa ho kandida, raha tsy misy ny fiovana.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT