Politique

Paul Rabary Mampisongadin-tena fa ho kandida ?


  • Zoma 29 Jona 2018

Miendrika ho propagandy ny ataon`i Paul Rabary, izay minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, raha tarafina amin’ny fihetsiny sy fitakosonana amin`ny tantsaha sy ny mpianatra raha ny hita eo anivon`ny tambajotra serasera.

 


 Manao fihetsika hanasongadinana ny tenany sy  misintona vahoaka hifidy azy raha toa ka kandidà ho filoham-pirenena. Efa notaterina teto amin`ny gazety Tia Tanindrazana ihany ny faran`ny volana febroary lasa teo fa toa miomana ho filoha izy ary tena hainy tokoa ny mampiasa sy milalao ny maha mpahay fiarahamonina azy. Mirehareha tamin`ny asa vitany tamin’ny naha minisitra azy tamin’ny fandraisana mpampianatra FRAM maro lasa mpiasam-panjakana. Miparitaka ny sariny mandeha any ambanivohitra mitakosona amin’ny zanaka Malagasy na koa mifanakaiky amin`ny ankizy nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Raha tsiahivina, nahazo tsipaka ambavafo ity ranamana ity satria nampiseho tamin`izany fa miasa ary tsy manao bizina sy afera tahaka ny sasany. Nahatsiaro ho takona angamba ny filoham-pirenena, ka nialona satria raikitra ny gidragidra teo amin`ny roa tonta taty aoriana. Voaporofo fa manana tanjona ho lasa filoham-pirenena tokoa i Paul Rabary amin’ny fihetsiny ary tsy azo hiadian-kevitra aloha fa minisitera anisan’ny tena fanalahidy amin’ny fifidianana ny tontolon’ny fampianarana niantsorohany satria io no tena mahenika an’i Madagasikara. Ny fifidianana no hitsara izany eo.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT