Manomboka mivoaka tsikelikely ankehitriny ny anaran’ireo mety ho mpiara-miasa akaiky amin’i Neny Lalao Ravalomanana ao amin’ny Lapan’ny tanŕnan’Antananarivo.
Ny vokatra vojimaika tamin’ny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 31 jolay 2015 dia efa manome fandresena mazava an’ity kandidan’ny Tiako i Madagasikara ity ary mametraka azy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny foibe mpandrindra ny fampielezan-kevitr’i Lalao Ravalomanana dia i Patrick Ramiaramanana no ho lefitra voalohan-drtoa Ben’ny tanàna.
Tsy olom-baovao ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra i Patrick Ramiaramanana. Ben’ny tanàna voafidy teto izy tamin’ny 2003. Notendren’ny filoha Marc Ravalomanana ho minisitry ny angovo i Patrick Ramiaramanana, valo volana talohan’ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny 2007, avy eo natao minisitry ny fanatanjahantena indray, nialoha ny nanendrena azy ho ambasadaoron’i Madagasikara tany Arabia Saodita. Teo anilan’i Lalao Ravalomanana hatrany i Patrick Ramiaramanana tao anatin’iny fifidianana Ben’ny tanàna iny. Niara-niofana taminy tany Alemaina sy nitady mpiara-miombon’antoka ho an’ny tanàna izy ireo, niara-nitety kartie nandritra ny tapabolan’ny fampielezan-kevitra ihany koa. Dia izao hiverina ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra izao indray valo taona aty aoriana.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.