Fahombiazana tanteraka ny dian’ny pastera Mailhol tany Mahajanga ny alakamisy lasa teo, kandida hatolotry ny antoko Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Nangorovitsika ny vahoaka tonga nitsena azy nanomboka tao Belobaka, 15 km tsy hidirana ny tanànan’i Mahajanga, hany ka tamin’ny 7 ora hariva izy sy ireo delegasiona notarihiny vao tafiditra tao afovoan-tanàna. Nandritra izany no nitsofan’ireo Raiamandreny ao Mahajanga rano azy mba hahaleo hahalasa amin’ny adidy sy andraikitra hosahaniny raha toraka izany koa ny solontenan’ireo mponina any an-toerana izay nangataka an’i pastera manokana mba tsy hihemotra intsony fa hiroso hatrany. Mila olom-baovao i Madagasikara, hoy izy ireo hanavotra azy ao anatin’izao fahantrana lalina mianjady amin’ny isam-barabarana izao. Nambaran’ny pastera Mailhol fa vonona ny tenany hanatanteraka ireo teny filamatra telo lehibe izay hapetrany dia ny fandresena ny fahantrana, ny famongorana ny kolikoly ary ny famerenana ny îles éparses. Ho an’ny kolikoly manokana dia nomarihiny fa tena fototry ny fahantrana eto Madagasikara izy io satria izay zavatra rehetra hatao dia ilana vola daholo. Ho an’ireo tanora mba nianatra, hoy pastera dia tsy mety mahazo toerana fa voavidin’ireo tsy mahay na inona na inona vola ny seza … Mikasika ny îles éparses indray dia nambarany fa raha io no tafaverina soa aman-tsara dia iaina ao anaty filaminana tanteraka ny taranaka Malagasy ao anatin’ny 200 taona ho avy. Tsy maintsy vitako ireo, hoy pastera Mailhol na dia hamoizako ny aiko aza. Nitohy avy hatrany tamin’ny kongresin’ny antoko GFFM tao amin’ny complexe sportif ny lanonana ny zoma lasa teo saingy ny nampalahelo dia nosintonin’ireo tompon’andraikitra ao Mahajanga tamin’ny ora farany ny fahazoana mampiasa ity toerana ity. Naveriny ihany koa ny vola efa naloan’ny GFFM, hany ka tamina toeram-pilanonana iray izy ireo no nanatanteraka izany. Vita soa aman-tsara ihany ilay kongresy, nahavita nihaona tamin’ireo olona isan-tsokajiny tany an-toerana ihany koa pastera Mailhol sady nametraka ny olony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.