Vonona ny hanohana an’ny pastera Mailhol ireo mpampianatra eto amintsika amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny volana novambra ho avy izao.
Nanao fanambarana mifandraika amin’izay ny « Solidarité et Action des Intellectuels pour notre Avenir » na ny SAINA sampana fanabeazana omaly, teny amin’ny By pass notarihin’ny filoha nasionaliny Rakotondramanana Tiana Josoa. Nambarany fa ity kandida hatolotry ny Gffm ity no hitan’izy ireo fa hahavaha tanteraka ny olan’ireo mpampianatra eto Madagasikara taorian’ny fihaonambem-pirenena notanterahin’ireo mpampianatra teto amintsika sy ny resaka nifanaovan’izy ireo tamin’ny pastera Mailhol. Nambaran’ireo mpampianatra ary fa ilaina ny manarina ny politikam-panabeazana eto Madagasikara, anisan’ireny ny fananganana ny TAhirim-pirenena ho an’ny FAnabeazana (TAFA). Any amin’ny taona voalohany dia efa tokony hampianarina hanangom-bola ireo mpianatra madinika na 5.000 Ar isan-taona ihany aza hoy ny SAINA hahafahana manampy ireo mpampianatra sy ny ray aman-dreny. Toraka izany koa ny fananganana ny Banky fampandrosoana ny Fanabeazana na ny BFF hahafahana manatsara ny fari-piainan’ireo mpampianatra. Ny kandida pastera Mailhol ihany anefa ho azy ireo no afaka hahavaha ny olana izay tsy manilika ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Nanambara moa ny pastera Mailhol fa vonona ny tenany ny hiaro ny hasin’ny fanabeazana sy ny mpanabe manerana ny Nosy raha lany soa aman-tsara ny tenany. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny roa tonta ny hametraka rafitra iray lehibe hanaovana fikarohana sy fandalinana ara-pedagojia, ny fanavaozana mitohy ny rafi-panabeazana arahin’ny fanofanana ny mpampianatra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.