Vonona ny hanohana sy hanampy an’i Pastera Mailhol amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina eto amintsika ny 7 novambra ho avy izao ny firenena Rosianina. Omaly no nampahafantarany izany tamim-pomba ofisialy teny amin’ny By-pass misy ny foiben-toeran’ny antoko politika Gideona Fandresena Fahantrana eto Madagasikara izay nanolotra azy,
miaraka amin’ny talen’ny fampielezan-kevitra voafidiny Atoa Paolo Raholinarivo, mpanolotsain’ny praiminisitra teo aloha. Nambarany fa efa nanontany sy nitety kandida maro ny firenena Rosianina saingy izy no tena naharesy lahatra azy ireo. Hiaraka hitaky amin’ny pastera ny îles éparses giazan’ny Frantsay izay nahabe resaka teto amintsika izy ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra fa tsy sanatria hanjanaka indray akory. Nambarany fa vonona tanteraka izy sy ny ekipany hiatrika ny fifidianana. Tany amin’ny 20 taona lasa izay no efa nomanina ary tsy hipetra-potsiny intsony izahay fa hihetsika ihany koa manoloana ireo voalaza fa mangalatra depart. Mikasika ny fisian’ireo fikambanana sy antoko politika maro samihafa mitaky ny hanemorana ny fifidianana ary hanaovana ny fanarenana ifotony moa dia nambarany fa mba niombon-kevitra tamin’izy ireny ihany koa ny tenany saingy efa tapaky ny fanjakana fa ny fifidianana aloha no tsy maintsy hirosoana dia miroso izy ireo. Ao anatin’ny fandraisana fahefana raha ho azy manokana vao hiroso amin’ny fanorenana ifotony izy ka anisany ny fanovana ireo karazana rafitra misy eto amin’ny firenena toy ny lalàn’ny fifidianana, ny fananan-tany…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.