Nihaona tamin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ireo solombavambahoaka sy senatera mpomba ny filohan’ny Repoblika omaly manoloana ny resaka politika sy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Nifantohan’ny fihaonana ny momba ny fanomanana ny fifidianana sy izay mety ho fiaraha-miasa eo amin’ireo parlemantera sy ny fitondram-panjakana. Firenena iombonana i Madagasikara ka ao anatin’ny fifanomezan-tanana no hahafahana miroso amin’ny fifidianana malalaka, mangarahara, madio ary eken’ny rehetra, hoy ny fanambarana nataon’ity praiminisitra vaovao ity, ka dia tonga mba mba nandodom-baravarana izany ireto parlemantera efa nalaza ratsy ireto. Fifidianana madio no resaka eto, saingy tsiahivina hatrany ny tantara fa ireto depiote sy ny loholona mpanohana ny fitondrana ireto no nampandany ny lalàm-pifidianana namohehitra saika hikotrehana fifidianana feno hosoka sy hampandresena ny fitondrana HVM. Efa vely kanonta ho azy ireo ny nandavan’ny HCC iny lalàna iny, ary dia maneho fahavononana amin’ny fifidianana madio indray, hono, amin’izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.