Samy manomana ny paikadiny amin’ny fifidianana ny mpanao politika Malagasy, ary hanao izay faraheriny tanteraka hampahomby ny kajikajiny avy. Ao ny manao vazaha mody miady, ka samy mirotsaka mba hanimbana vato fotsiny. Amin’ny ankapobeny, ny afovoan-tany dia faritra tena be mpifidy.
Tafiditra ao anatin’izany Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Matsiatra Ambony, misy ampahany amin’ny Amoron’i Mania ihany koa. Efa somary hita rahateo ny karazana fironana sy firehana hoe: kandida iza no mahery sy efa hita taratra fa nanjaka hatrany teto afovoan-tany hatrizay, ka hatramin’izao, kanefa tsy azo hamaivanina ihany koa any amin’ny faritra hafa ? Manomboka tsikaritra ny paikady hampiasaina hizarazarana ny vaton’ny mpifidy amin’ireo faritra ireo; ary azo antoka fa ho maro ny kandida hiainga eto, izay efa manomboka miseho ireo kandida amin’izao. Hatao ihany koa izay tsy hisian’ny olona iray atahorana ho tafavoaka any amin’ny fihodinana voalohany, na mety hahazo ny laharana voalohany aza. Any amin’ny fihodinana faharoa, dia hifanohana ireo kandida nizarazara vato tao anatin’ny fihodinana voalohany, ary mety hiverina eto hatrany ny toy ny tamin’ny taona 2013 nifanandrinan’i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina, ka ilay nahazo vato betsaka tamin’ny fihodinana voalohany no resy indray aty amin’ny fihodinana faharoa avy eo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.