Politique

«Pacte de responsabilité» Maro no te handray anjara


  • Alarobia 08 Jolay 2015

Rahoviana ihany ? Raharaha iray anisan’ny mitana ny sain’ny maro, indrindra ny mpanao politika ny amin’ilay «Pacte de responsabilité» izay naroson’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana handaminana ny fifanolanan’ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena, taorian’ny fikasan’ny solombavambahoaka hanongana amin’ny toerany ny filohan’ny Repoblika.

 

 Ny tsy fahombiazan’iny fitsipaham-pitokisana ny governemanta nataon’ny depiote farany teo iny anefa dia mampibaribary fa marefo ny fiarahan’ny antoko na vondrona antoko eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, na ny HVM sy ny mpiara-dia aminy manohana ny filohan’ny Repoblika izany na ny vondron’ireo antoko manohitra azy. Maro, araka izany, no mihevitra fa tsy hahavaha olana raha mikatona ho an’ny filohan’ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena ihany ilay «Pacte de responsabilité» hisorohana ny kajikajy politika fa tokony hivelatra amin’ireo tsara sitrapo, hitsinjovana ny vahoaka 22 tapitrisa sy hiantohana ny fifidianana kaominaly ho avy eo, izay hitondra mankany amin’ny fifidianana Loholona. Ny fijoroan’ny Antenimierandoholona no ho arofanina ho an’ny filoha raha te handrava ny Antenimieram-pirenena ka te ho marin-toerana amin’ny fitondrany izy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT