Politique

Orlando Raobimanana Vondrom-bahoakam-paritra tsara tantana no vahaolana


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Nangingina Atoa Orlando Raobimanana teo aloha teo. Nivoaka tamin’ny fahanginany izy manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Nambarany fa mahantra ambony harena i Madagasikara.

 
Tsy ampy ny vokatra,  tsy ampy ny vola nefa izay kely ananana indray  lanilaniam-poana fa tsy amin’ny tena fampandrosoana akory, hoy izy.  Tena  ampy  anefa ny hoenti-manana eto Madagasikara raha toa ka atsahatra ny fandaniam-poana” izay efa hita ao anatin’ilay boky « Madagasikara, Vina sy Fanantenana » nosoratany. Paikady mazava sy finiavana hampandrosoana ny firenena no tena ilaina, satria mbola betsaka ireo fahalovana tokony halana. Anisan’ny noresahany ireo mpiasam-panjakana matoatoa, ny tsenam-panjakana,  ireo fanararaotana isan-tsokajiny, ny fanampiana zaraina ka sitrahan’ny orinasa hananan’ny fanjakana petra-bola izay nomarihiny fa ahitan’ny fanjakana fatiantoka avokoa. Tsy misalasala izy manolotra vahaolana telo amin’ny maha teknisianina azy dia ny fandaharan’asa politika sy fitondran-draharaha, ny fandaharan’asa fiharian-karena sy fampandrosoana ary ny fandraharahan’asa sosialy sy fikatsahana fiadanan-tsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana fanjakana tsara tantana, handraisan’ny vondrom-bahoakam-paritra andraikitra feno amin’ny asa fampandrosoana. Nasiany resaka ihany koa ny fanarenana ny JIRAMA izay nandanian’ny fanjakana 290 tapitrisa Ar tamin’ny taona 2014 kanefa mbola matiantoka hatrany noho ny tsy fahombiazan’ny fari-pamokarana sy ny fitantanana. Tsy adinony ny fanavaozana ny fampianarana mba hisian’ny fitiavan-tanindrazana, ny fifanajana, ny fahaiza-mamorona sy ny fahaizan-manao…Miantso ny rehetra samy handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny tenany.

 

 

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT