Politique

Onitiana Realy “Misy manipy hoditr’akondro ny filoha”


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Afangaron’ny olona ny mpanao gazety sy ny minisitra. Tany ivelany no natao hiteny, fa rehefa ao anatiny natao hitondra vahaolana.

 

 Manao safidy mangina na mametra-pialana ary tsy mitovy ny asan’ny mpanao gazety sy ny minisitra, hoy ny minisitry ny mponina teo aloha, Onitiana Realy omaly izay niverina tanteraka ao anatin’ny tontolo politika ankehitriny. Na misy aza ny fanenjehana, dia nahafa-po ny asa natao, hoy izy.  Nambarany, fa ny minisiteran’ny mponina irery ihany no nahavita ny fanambiny tany Atsimo, ary nahavita vahaolana ho an’ny mponina. Malagasy 320 000 no misitraka vatsin’ankohonana, izay mahazo 30 000 isam-bolana noho ny 35 tapitrisa dolara avy amin’ny mpamatsy vola hanampiana ny vahoaka any Atsimo ho an’ny taona 2017, 2018, 2019. Olona 700 000 no misitraka ny vatsin’ankohonana manerana ny nosy ho an’ny distrika 11 eto amin’ny firenena. Ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara amin’izao dia 72% ary tamin’ny 2013 dia 92%, raha ny tatitry ny banky iraisam-pirenena. Ny 53% no mahantra fadiranovana, ka ny 6% amin’ny vatsin’ankohonana dia mahakasika ireo tena fadiranovana. 68% ny tahan’ny fahantrana tamin’ny faran’ny 2008. Avoahy ny an’ny hafa, hoy izy, raha manana. Nahitsy fitenenana ihany koa anefa i Onitiana Realy nilaza fa nisy ny tandapa nanipy hoditra akondro ny filoha. Ireo no mahatonga azy mety nanao bemarenina satria ny vaovao tonga any aminy mihitsy no mety ho diso. Ny olona nanipy hoditr’akondro tamin’io lalàna momba ny fifidianana io, ohatra, dia re fa mety hirotsaka ho filoha hono, hoy ity minisitra teo aloha ity. Isan’ny olana lehibe ihany koa ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010, izay tandrametaka, raha ny nambarany. Na izahay samy minisitra tao anaty governemanta aza nifampiteny ny amin’ny zavatra tsy mety ataon’ny tompon’andraikitra sasany, hoy izy saingy misy moa ny manao be marenina foana ka atao akory. Aoka hazava ny resaka, hoy izy, fa tsy hoe izay mpitondra fanjakana rehetra dia tsivalahara daholo. Misy zavatra tokony hamboarina eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka ary mila mahay mandinika sy manapa-kevitra tsara isika, raha ny fanehoan-keviny. Tsy kandida filoha aho, hoy i Onitiana Realy, tsy hanohitra ny fitondrana ihany koa fa kosa mikaroka ny fomba rehetra hampivoarana ny fiainan’ny Malagasy.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT