Politique

Olon’ny HVM Hidina an-dalambe anio


  • Zoma 22 Jona 2018

Nanao fanambarana teny amin’ny Hotely Colbert ny Vondrona politika Malagasy Mijoro Miaro ny ara-dalàna, tarihin-dRakotovololona Lafatra ny alarobia teo.

 

 Nilaza ho manohitra marin-drano ny mbola fitohizan’ny tolona eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Efa tanteraka ny 90%-n’ny fitakiana, izay tsy inona fa efa samy anaty governemanta daholo ny solontenan’ireo solombavambahoaka, hoy izy ireo. Maninona raha hajanona amin’izay fa efa nandeha tamin’ny fitakiana ianareo, ary efa tafiditra ao anaty governemanta, hoy ny fanambarana. Hidina an-dalambe eny amin’ny Kianja filalaovam-baolina eny Ankorondrano ampitan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy izy ireto mba hitakiana ny fanatsaharahana ny tolona satria mila fitoniana ny firenena, ka raha mijanona ny 13 mey, dia mijanona izahay, hoy Rakotovololona Lafatra. Nisaotra ny vondrona MAPAR nametraka ny fitiavan-tanindrazana ary nampirina ny hambom-po politika, hoy hatrany izy ireo. Nisaotra manokana an-dRajoelina ihany koa.  Tsy iraka avy amin-dRajoelina fa mahatsapa fa manana olon-kendry ny firenena nisintona ny parlemantera teny amin’ny 13 mey rehefa nisy ny marimaritra iraisana, hoy izy ireo. Mpanao politika tsy dia hita firy saingy akaiky ny HVM moa ireto nijoro ireto, izay nilaza ihany koa fa tokony havela hiasa malalaka Rajaonarimampianina, ny praiminisitra ary tokony halefa ny fifidianana mangarahara. Fanivaivana ny mpitolona eny an-kianja no handikan’ny maro ity, indrindra fa ny filazana fa ny 90% tamin’ny fitakiana no efa nivaly satria hoe efa ao anaty governemanta ny mpitari-tolona sasany. Adala ve izany ny sendika maro ao anatin’ny Randram-baon’ny sendika na ny SSM, ny mpampianatra sy ny mpanabe ao anatin’ny FM2F,… Raikitra izany ny fanetsehana mersenera politika sy ny fihantsiana ady amin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka, izay heverina fa ry Rivo Rakotovao sy ny ekipany  no ao ambadika.

Toky R

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT