Miseho amin`izay ny tsy fahamatoran`ny antoko HVM eo amin`ny tontolo politika. Araka ny nambara hatrizay dia tsy mahagaga intsony ny tsy fahamatoran`ny antoko HVM satria tsy manam-pototra sady antoko ialokalofan`ireo mpanao afera, ireo mpanao politika mpamadika palitao ary ireo mersenera.
Raha ny fantatra dia efa mitsinjo fananganana governemanta vaovao ireto farany kanefa diso kajy raha vao nijoro ny governemanta Ntsay ny alatsinainy 11 mey lasa teo. Tsiahivina fa ny herinandro lasa teo dia nisintaka tsy ho filohan`ny parlemantera manohana ny filoham-pirenena na PMP, ny depiote voafidy tao Atsimondrano, Jaona Elite. Nandao ny toerana maha mpanolotsaina azy ihany koa i Mbola Rajaonah, izay anisan`ny tanan-kavanan`ny filoham-pirenena. Ny eny amin`ny Antenimeiram-pirenena dia manomboka mivadika amin`izay ny rasa fa toa tsy re feo intsony ireo depiote 79 taorian`ny fanendrena ny governemanta Ntsay Christian. Ireo depiote ao anatin`ny PMP tokoa dia niaro fatratra ny filoham-pirenena tamin`ny fitakiana nataon`ny depiote ho an`ny fanovana eny amin`ny kianjan`ny 13 mey. Ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, aza nanao antso amin`ireo depiote voalaza hiaro ny fitondrana saingy izy ireo indray no manomboka midongy tsy mety miakatra an-dapa. Ahiana ho avy amin`izay ny ampamoaka isan-karazany ary dia maro no ho tapaka lalandra, hoy ny fitenenana, indrindra fa ireo olona manodidina an`ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina mivady. Tezitra mantsy izy ireo amin`izao fotoana izao satria nampanantenaina poakaty. Mitriatra tsikelikely ny fototr`ity antoko ity ary tonga amin`ny fitenenana hoe « Baikon`ny vola fa tsy foto-kevitra ».
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.