Fifanandrifian-javatra ve sa efa nifanarahana fa nanomboka omaly dia saika naneho hevitra avokoa indray ireo mpivoy ny maha zava-dehibe ny famerenana ny hasin’ny firenena sy ny soatoavina Malagasy.
Nampahafantatra tetsy amin’ny Maya Ankadifotsy omaly, ohatra, ny fivondronana antsoina hoe Tsirimasoandro fa ampy izay ny fanentanana nataon’izy ireo ka hiditra amin’ny dingana sy fomba hatao hamerenana ny hasim-pirenena amin’izay izy ireo. Hotomorina isam-paritra ny fototry ny olana eto Madagasikara ary hanomboka izany any Boeny, Mahajanga izy ireo ny 22 ka hatramin’ny 27 jolay. Ny volana aogositra kosa ny fikaonan-doha iraisan’ny rehetra eto Imerina. Ry zareo avy eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra na VOT, tarihin’ny filohany Sarah Zoe, kosa dia nilaza fa tsy maintsy miainga amin’ny kolontsaina no hahafahana mametraka lalàmpanorenana. Tsy hisy fitoniana sy fandrosoana raha amin’izao no mbola hifanilika, hoy izy. Aza afangaro ny kolontsaina sy finoana. Mila apetraka aloha ny soatoavina sy hasina, hoy i Sarah Zoe.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.