Diplomaty maromaro indray no noraisin’ny praiminisitra Ntsay Christian omaly, ka nivoitra tao anatin’izany ny fahavononan’ireo vahiny amin’ny fanohanana an’i Madagasikara, indrindra fa ny fanatontosana fifidianana.
Voalohany tamin’izany i Harald Gehrig Ambasadaoron’i Allemagne, Naneho ny fahavononany sy ny faharesen-dahatra ny amin’ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity, Mohamed Abdallah Cherif, avy amin’ny Banky afrikanina ho amin’ny Fampandrosoana (BAD) naneho ny fahavononana hatrany hiara-kiasa ; Philippe Brandt Ambasadaoron’i Suisse nitondra fiarahabana ny praiminisitra, ary naneho fahavononana amin’ny fanampiana amin’ny fifidianana filoha ; Rtoa Coralie Gevers, solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena ary Andriamatoa Patrick Imam, solontena maharitry ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) eto Madagasikara, izay nifanome toky tamin’ny praiminisitra amin’ny hanavaozana sy hanalefahana ny findramam-bolan’ny governemanta Malagasy. Noraisin’ny praiminisitra ihany koa ny solontena avy amin’ny mpandraharaha avy amin’ny Vondron’ny orinasa eto Madagasikara (GEM) notarihin’ny filohany Rtoa Soanorondriaka Josephine Andriamamonjisoa. Andrasan’ireo mpandraharaha ny fampihodinana ny toekarena araka izay tokony ho izy ary ny handraisana fanapahan-kevitra amin’ny « dossier » sasantsasany izay efa niandry efa elaela. Toa takona tanteraka aloha i Hery Rajaonarimampianina amin’izao, ary tahaka ny tsy raharahian’ny vahiny intsony fa i Ntsay Christian no tsapa fa tena mitantana ny baolina ary efa tahaka ny filohan’ny tetezamita mihitsy aza, hoy ireo mpanara-baovao politika. Izy izay arovan’ilay didy navoakan’ny HCC ny 25 mey ary tsy azon’ny filoham-pirenena esorina amin’ny toerany sady mijanona eo mandra-pisiana filoham-pirenena vaovao voafidim-bahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.